airtel

Sosialy

18-juil-2022

Sosialy

Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo Hamoaka 20,2 tapitrisa dolara ny BAD

Sample post image

Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD ny 15 jolay 2022 teo tany Abidjan Côte d’Ivoire ny fifanarahana ara-bola mitentina 20,20 tapitrisa

18-juil-2022

dolara amin’i Madagasikara. Haompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjariana sy tsy fahampian-tsakafo io, ka isan’izany ny fampiroboroboana ny famokarana voamaina sy akora aza hakana menaka. Tetikasa izay natao hiatrehana sy hisorohana ny fiantraikan’ny ady any Ukraine. I Madagasikara izay marihina fa firenena faha-17 maneran-tany amin’ny fanafarana entana sy vokatra any amin’io firenena io. Isan’ireo firenena marefo sy tena mbola betsaka olona ianjadian’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara, izay nomen’ny sehatra iraisam-pirenena toromarika mba hametraka ho laharam-pahamehana ny fambolena sy ny fiompiana. Nomarihin’ny BAD moa, fa ny 78% amin’ity famatsiam-bola ity izay manome 15,77 tapitrisa dolara eo dia tsy haverina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap