raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Focus development, izay fikambanana miady ho an’ny fananan-tsata eto Madagasikara. Manoloana ny ady sy tolona mbola mila atrehin’ireo misedra izay antsoina hoe tsy fananan-tsata eto Madagasikara izay dia misy anio sy rahampitso ny fiofanana omen’ity fikambanana ity ho an’ireo sehatra afaka mampita ny feon’izy ireo sy ny hetahetany marina. Isany hisitraka izay fiofanana izay, araka izany, ireo tomponandraikitra amin’ny haino aman-jery sy fampitam-baovao ary mpanao gazety, mazava ho azy. Tanjona amin’izy io, raha ny fanazavana hatrany, ny hampahafantatra amin’ireo mpanao gazety ny tena antony ilana lalana mifandraika marina amin’ny olan’ireo tsy mana-tsata na «apatride» eto Madagasikara izay. Eo indrindra koa ny fampahafantarana ny fipetrak’ilay tolo-dalana farany mikasika azy ity dia ny 001/2021/PL. Isan’ny fanontaniana goavana mipetraka, noho izany, ny hoe inona no paikady hahatongavana amin’ny fampisitrahanna ny tena tokony ho zon’ireo tsy manan-tsata eto amintsika ireo? Aiza ho aiza ihany ny fametrahana ny lalana tena mifanaraka izany? Ao amin’ny hotely Royal Palace Antsirabe moa no hanaovana izay fampiofanana izay, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.