airtel

Sosialy

11-mai-2022

Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Miezaka manofana ireo tanora ao aminy ny kaominina Talatamaty

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita asa mifandraika amin’ny lalam-piofanana nianarany dia misy ihany koa ireo niangaran’ny vintana ka tsy afaka nandia ny

11-mai-2022

varavaran-tsekoly akory na tsy nahavita hatramin’ny farany ny fianarany hany ka lasa vesatry ny fiaraha-monina. Mba ho fanampiana azy ireny dia nijery manokana ireo tanora tena sahirana ao anatin’ny faritra iadidiany ny kaominina Talatamaty, tarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Teknisiana miisa 4 sy olona miisa 30 tao anatin’ny kaominina ohatra fotoana vitsy lasa izay no nomena fiofanana momba ny fanamboarana pave hanamboarana lalana. Mitohy amina sampam-piofanana maro isan-tsokajiny izany ka ankizy miisa 120 hatreto no efa tafiditra niasa, raha manodidina ny 300 isa kosa ireo mivondrona anaty fikambanana miandrandra fiofanana sy asa mendrika ho azy hahafahany mamelona ny tenany sy ny ankohonany. Ireo orinasa eny amin’ny manodidina sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina ihany moa no mandray azy ireny hiasa, raha anisan’ny tanjona kosa ny hahafahana miady amin’ny fahantrana, antony mitarika ireo tanora sasany hanaotao foana. Mbola hitohy hatrany ny ezaka hanampiana ireo tanora ao aminy ho an’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap