Anisan’ireny ny fidirana miasa eny anivon’ny orinasa afaka haba izay mety handraisana karama hatrany amin’ny 150.000 Ar isam-bolana raha kely ho an’ireo vao hanomboka hiasa. Tena betsaka ireny olona ireny raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana. Izany indrindra hoy izy no nanosika ny Eccova hanampy azy ireny amin’ny alalan’ny fiofanana hahazoana mari-pahaizana ankoatra ny fampianarana manjaitra poketra sy kiraro ary ny lamaody. Ny zaitra mantsy amin’ny ankapobeny hoy izy no mbola hany lalan-tokana sady malalaka hahafahana mivelona eto amintsika indrindra fa ho an’ireo tia mamorona. Ho an’ireo tsy manan-talenta ho amin’izany kosa dia nambarany fa mety ho tonga ambony sy lavitra kokoa ireo maniry ny hiasa eny anivon’ny orinasa afaka haba raha miezaka mampitombo ny traikefa hananany indrindra eny anivon’ny toeram-piasana misy azy. Ny 40%-n’ireo tanora eto an-drenivohitra moa no efa miaina sy mivelona amin’ny alalan’ny orinasa afaka haba eto amintsika raha manodidina ny 10% eo ho eo ireo olon-dehibe.
Pati
Legende : Razanamanalina Volana, filoha tale jeneralin’ny Eccova, manentana ny tanora tsy hiononana fotsiny amin’izao fa hanao ezaka.
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.