airtel

Sosialy

13-janv-2023

Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Omena fiofanana ny mponina ao Talatamaty

Sample post image

Tena mitombo andro aman’alina ireo olona tsy an’asa eto amintsika indrindra fa ny tanora.

13-janv-2023

Antony mampitombo ny fidonanam-poana sy ny asa fangalarana ihany koa izany, ka nanosika ny kaominina Talatamaty hanofana manokana ireo olona tsy an’asa ao aminy. Maimaimpoana izany fa tsy handoavam-bola. Natomboka tamin’ny fanovana toe-tsaina sy ny fomba fitondran-tena eny anivon’ny orinasa ny fanofanana, omaly. Nitohy tamin’ny fandrosoana amin’ny ankapobeny izany, fangatahana manokana izay fantatra fa nataon’ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny kaominina. Misy ihany koa ny fiofanana arak’asa omena ireo izay vonona toy ny fampiasana ny machine industrielle, ny centre d’appel, ny resaka fitantanana ary ny informatika. Izany no natao moa hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty dia hahafahana mampihena ny tahan’ireo tanora tsy an’asa ao amin’ny faritra iadidiany. Ankoatra ity ady amin’ny tsy fananan’asa ity dia fantatra fa hijery ny karaman’ireo mpiasa madinika izay tsy mbola nisy fikarakarana tao anatin’ny taona maro ao amin’ny kaominina sahaniny ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Toraka izany koa ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap