airtel

Sosialy

16-mai-2022

Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora 25 nofanina momba ny taon-trano sy ny asa vaventy

Sample post image

Tena mahazo vahana ny tsy fananan’asa eto amintsika. Tanora miisa 25 no nahazo fiofanana momba ny taon-trano sy ny asa vaventy ho an’ny kaominina Talatamaty.

16-mai-2022

Niompana tamin’ny asa fanamboaran-trano sy ny fanamboarana lalana rarivato ny fiofanana , mba hahafahan’izy ireo mivelona ka tsy hanaonaovany foana. Mbola hisy anefa ny fampiharana hotanterahin’izy mialohan’ny hiatrehany ny tena asa raha araka ny fanazavan-dRatsimandresy Jimmy, tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana teknika ao anatin’ny kaominina. Hitohy amin’ny fanofanana ireo tanora momba ny tenim-pirenena vahiny, ny informatika …ny fiofanana. Tanjona hatrany moa raha araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ny mba hahafahana mampihena ny tahan’ny tsy fananan’asa ao anatin’ity kaominina ity sy hiarovana ireo tanora tsy hidonanam-poana, tranga izay mety hisarika azy ireo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena ho an’ny vehivavy.
Pati
Legende : Ratsimandresy Jimmy, tompon’andraikitra amin’ny sampana teknika eo anivon’ny kaominina Talatamaty
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap