amin’izany dia marobe ihany koa ireo tsy mba afaka nanohy fianarana hatramin’ny farany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Lasa manaotao foana sy variana amin’ny zavatra tsy dia misy antony loatra ny tanora noho izany raha tsy lazaina intsony ireo mirona mankany amin’ny asa fisolokiana, fangalarana, filokana, fisotroana…. Mba hahafahana miady amin’izany dia miezaka manofana ireo tanora ao aminy ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano. Tanora miisa 16 nahavita fiofanana tao amin’izy ireo izay misalotra ny anarana "FIVOARANA" omaly no navoaka tamim-pomba ofisialy. Vokatry fiara-miasa teo amin'ny CFP Belanitra sy ny orinasa iray eny an-toerana ary ny Kaominina Ankadikely-Ilafy no nahafahana nanantanteraka izany. Tanjona ny hanohanana ireo tanora ao an-toerana amin'ny fampananan'asa izay anisan’ireo fanamby napetraky ny Ben'ny Tanàna Rija Rajaonah. Izy moa no Ray mpiahy ity andiany vao navoaka omaly ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana
Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na
Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony