airtel

Sosialy

04-avril-2022

Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Ankizy miisa 120.000 isan-taona no hisitraka Kapik’nakà

Sample post image

Miara-mientana isika manome vahaolana maharitra ho an'ny vahoaka, manome fanantenana ho azy ireo, manome asa ho azy ireo ary mifanome tanana amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo aty Atsimo,

04-avril-2022

hoy i Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny zoma teo nandritry ny nitsidihan’izy mivady niaraka tamin’ny filohan'ny Fondation Mérieux, Alain Mérieux sy ramatoa vadiny, ny orinasa Nutrisud tao Tolagnaro. Efa azo tsapain-tanana ny fahombiazan’izany fiaraha-mientana izany, hoy ny filoham-pirenena. Mpianatra miisa 9697 no efa misitraka ny Kapik’Nakà vokarin’ny orinasa isan’andro, hoy izy. Izy ireo dia efa nisitraka ihany koa fizarana sakafo maimaim-poana, isan’andro avy amin’ny fikambanana Fitia. Manomboka amin’ny volana ambony kosa dia ankizy 5 hatramin’ny 13 taona miisa 120.000 isan-taona no hisitraka maimaipoana ny Kapik’nakà, hatao sakafo maraina. Mitohy hatrany ny fiaraha-mientana ka ho avy hanatevin-daharana ny fikambanana Fitia sy ny Fondation Mérieux ary ny vondrona Nutriset ny « Principauté de Monaco », hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap