airtel

Sosialy

05-juil-2022

Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hamoaka 85 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena

Sample post image

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny faran’ny volana jona teo ny hanomezana tohana ara-bola andiany faharoa mitentina 85 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo,

05-juil-2022

araka ny fampitam-baovao ofisialin’io rafitra ara-bola maneran-tany io. Tanjona ny hampihena ny fahatarana eo amin’ny fitomboana sy fivoaran’ny ankizy. Ny 42,5 tapitrisa dolara amin’io dia fanomezana, ary vola haverina kosa ny 42,5 tapitrisa dolara. Ny volana desambra 2017 no nankatoavina ny andiany voalohany tamin’io, ka miisa 1 875 461 ireo sy ny zaza latsaky ny 5 taona nisitraka tan-tsoroka ara-pahasalamana sy ara-tsakafo tamin’ny alalan’ny ivon-toerana miisa 4 526 niampy toeram-pitsaboana fototra 1081. Hifantoka hatrany amin’ny fanatsarana ny kalitao sy ny fahafaha-misitraka tolotra manokana sy ilaina amin’ny lafiny fahasalamana ara-pamokarana ho an’ny reny sy ny zaza mifototra amin’ny ara-tsakafo io. Faritra miisa 9 no hisitraka izany ho an’ny dingana voalohany, hiitatra amin’ny faritra 4 dia ny ao Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana. Ny telo amin’ireo dia voasokajy ho isan’ny faritra marefo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mifanjohy amin’ny fampisam-bola momba ny fampiroboroboana ara-tsosialy, toy ny fampiroboroboana ny fambolena, ny fiarovana ara-tsosialy mba hanatsarana ny lafiny fanjarian-tsakafo io. Isan’ny kendrena ao anatin’izany ireo ankohonana tena marefo, ka tafiditra ao anatin’ny paikady momba ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika io, fa indrindra ny resaka ady amin’ny fahantrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap