eto an-toerana amin'ny alàlan'ny rafitra voarindra, ny fananganana tahirim-bola manokana ho enti-manohana tetikasa fampandrosoana an'i Madagasikara ary ny fampiakarana ny fari-piainan'ny Malagasy no natolotry ny governemanta Japoney ho an'i Madagasikara. Omaly Alatsinainy 13 Janoary no natao tamim-pomba ofisialy izany, tafiditra anatin'ny Fonds de Contre Valeur (FCV), raha ny nambaran'ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny fitondram-panjakana Japoney no manome ny vary araka izany ary ny Governemanta malagasy no mijery ny mpandraharaha malagasy vonona hivarotra izany eto an-toerana, amin'ny alalan'ny "Appel à Manifestation d'intérêt". Raha ny fantatra moa dia entina hanatanterahana tetikasa fampandrosoana an'i Madagasikara izay faritan'ny Governemanta roa tonta, ny vola azo amin'izany raha vao voahangona 100%. Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : mety hampidina ny vidim-bary hatrany amin’ny 750 Ar ny iray kapoaka ve ny fahatongavan’io fotsim-bary milanja 2.422 taonina eto amintsika io ? Ny hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo rahateo no tanjona. Izany mantsy amin’ny ankapobeny no tena mahamaika ny vahoaka.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo vary !
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,
Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny
Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association