airtel

Sosialy

04-juin-2021

Sosialy

Ady tany eny Antanandrano Fianakaviana an-jatony no lasibatra

Sample post image

Nanohy ny fitokonany tetsy amin’ny tany etsy Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy,

04-juin-2021

 ireo mponina eny an-toerana izay nilaza ho manana “titre” sy kadasitra milaza fa azy ireo ity tany eo akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe 109 ity omaly. Bodoin’ny Karana ny taninay, hoy izy ireo, araka izao hitanareo izao nefa efa resinay hatrany izy ireo tany amin’ny fitsarana. Efa 20 taona mahery izay no nisian’ny ady tany teto ary izahay tsy hiala eto hatramin’ny farany. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izahay mba hijery manokana ity toe-draharaha ity fa tena mampalahelo. Mampiseho ny heriny mibodo ny taninay an-kitsirano ny mpanam-bola, hoy hatrany izy ireo. Mirefy 33ha moa ny tany, raha ny fanazavana, ary fianakaviana aman-jatony no lasibatra ao anatin’izao raharaha izao. Mino sy manantena izahay, hoy izy ireo, fa miahy sy tia ny madinika toa anay ny filoham-pirenena ka handray andraikitra feno manoloana ny raharaha. Rehefa tsy izay moa dia handray fepetra izahay satria mihatra aman’aina ny tolona ataonay ary misy kolonely manao ramatahora. Ny tena mahagaga dia hatramina mpitandro filaminana tonga eto. Aoka hesorina eto ireny fa mampihorohoro hatramin’ny zanakay, hoy hatrany izy ireo. Tsy nety naneho hevitra mikasika ity raharaha ity moa ny teo anivon’ny kaominina ary nanamarika kosa fa anjaran’ny fitsarana no manapa-kevitra manoloana ny toe-draharaha.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap