airtel

Sosialy

08-déc-2021

Sosialy

Ady tany ho an’ny taona 2021 Hifarana ny 31 desambra ny fandraisana ireo fitarainana

Sample post image

Nanao tatitra ny tohin’ny asany tetsy amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly ny vaomiera mpanadihady ny ady tany miverimberina eto Madagasikara eny anivon’ny antenimieram-pirenena tarihin’ny filohany,

08-déc-2021

 ny depiote Naivo Raholdina. An-jatony, hoy izy ireo, ny fitarainana voaray. Tsy maintsy dinihina antsipiriany nefa izy ireny hoe ao anatin’ny fahefanay sa tsia. Dosie miisa 5 no hodinihinay aloha anio (TTF:omaly). Voalohany ny olana mafampana eny Antanandrano izay hiadian’ny mpandova sy ny orinasa Telma. Faharoa dia ny tsindry hazolena eny Fenoarivo izay ananan’ireo tompon-tanana sy mpandova olana amina lehibena vadintany iray eto Madagasikara manambady karana. Fahatelo ny eny Ankazobe izay miady amin’ny vahoaka sy Royal spirit izay orinasa iray mipetraka amin’ny tanim-bahoaka hanaovana fanadihadiana. Eo koa ny avy any Moramanga izay ahitana dosie maro saingy tsy vita indray andro dia iray ihany aloha no dinihina. Eo koa ny any Arivonimamo izay olana maro samihafa koa fa karazany iray aloha no ho dinihina. Tsy mpitsara izahay fa mijery ny rariny ka raha sanatria mahita kolikoly amin’ny vokatra eto dia tsy maintsy resahanay eny anivon’ny Bianco, Fitsarana, PAC. Raha misy tsy rariny hita eny anivon’ny fitsarana dia tsy maintsy mamoaka fehin-kevitra na “resolution” izahay hiantsoana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Noferana hatramin’ny 31 desambra 2021 no handraisana farany ny fitarainana mikasika ity fanadihadiana parlemantera 2021 ity. Ny fitarainana dia aterin’ny mpitaraina eto amin’ny antenimieram-pirenena na ampitondrainy ny solombavambahoakany ka ho raisina eo amin’ny sampana momba ny raharaha ankapobeny na “service des affaires générales”. Enim-bolana aorian’izay, araka ny voalazan’ny lalana sy lalampanorenana ahafahanay manatanteraka azy dia 4 volana amin’io no handinihanay daholo ireo rehetra ireo. Vita izay dia tonga amin’ny valin’ny fanadihadiana izahay, hoy hatrany izy ireo sady nanamarika fa izay no mahakasika ny fanadihadiana parlemantera momba ny ady tany ho an’ity taona 2021 ity.
J.Mirija
Legende: Ireo solombavambahoaka mpanadihady tarihin’ny filohany, Naivo Raholdina.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap