airtel

Sosialy

04-août-2021

Sosialy

Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy Ny mpitondra anefa mbola kofon’ny politika

Sample post image

Mihamafy ny krizy amin’ny endriny maro eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Milaza hampiakatra vidin’entana ny mpivarotra arina fandrehitra noho ny fidangan’ny vola alain’ny orinasam-panjakana

04-août-2021

 Fanalamanga amin’ny lafiny ara-taratasy. Na misy aza ireo mpivarotra io angovo isan’ny tena ampiasain’ny Malagasy io mbola misalasala, dia ao ihany koa ireo nampiakatra izany mialohan’ny fotoana ka efa nahitana hatrany amin’ny 50 000Ar izany tamin’ny toerana sasany. Manambana higrevy ny mpitatitra any amin’ny RN2, ny vidin’entana eny an-tsena midangana hatrany, ny fidiran’ny mpianatra mbola fahasahiranana goavana ho an’ny isan-tokantrano noho ny fahalafosan’ny vidin’ny fitaovana, ny mponina any Atsimo miverina mihamafy ny fitsoaham-ponenana noho ny kere sy ny haintany,… Mitohy sy mihamafy ny takaitran’ny krizy. Maro ireo very asa, ary raha ny taratasy fandroahana mpiasa voarain’ny orinasam-panjakana iray misahana ny fiahiana ara-tsosialy ohatra dia voalaza fa 2000 hatramin’ny 2500 isaky ny telo volana no voaran’izy ireo. Tao anatin’ny herintaona sy tapany teo miseho sy mitohy ny toy izany. Any amin’ny sehatra ara-dalàna aza ahitana an’izany mainka fa any amin’ireo orinasa sasany? Etsy ankilany, tsy misy vahaolana tena aroson’ny Fanjakana satria samy manana ny olany. Ny mpitondra mbola any amin’ny resaka seza sy ny adihevitra politika momba ny tsy fahamarinan-toerany no mahaseriny azy. Marina fa misy ny tsena mora, saingy tsy mahasehaka ny sarambabem-bahoaka, ary vahaolana vonjy tavanandro. Tena anaty krizy lalina ny firenena, saingy tsy manana politika mazava hiatrehana izany ny Fanjakana. Ekena fa misy, ohatra, ny fanomezana fanampiana 50 000 isam-bolana ireo fianankaviana sokajiana ho sahirana, dia mbola misy tsy fangaraharana ny tamin’ny sivana. Ny tena sahirana misy tsy mahazo, fa ny manan-katao indray aza no misy misitraka, toy ny hoe: ny mpanofa trano tsy mahazo, fa ny tompony indray no misitraka,... Tsy mahasehaka ny rehetra ihany koa anefa io ary mety tsy ampy 2% akory amin’ny Malagasy no misitraka azy. Ahiana hiteraka fipoahana ara-tsosialy ny zava-misy sy miseho.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap