airtel

Sosialy

12-oct-2021

Sosialy

Akany hitaizana tanora eny Ambohidanierana Natao hahazaka olona hatramin’ny 300 isa

Sample post image

Miantso ireo zanaka am-pielezan’Ambohidanierana rehetra manoloana ny ezaka fananganana akany ataon’izy ireo eny Ambohidahy Avaradrano ny filohan’ny tanora Kristianina eny an-toerana

12-oct-2021

, Ralaiarimanana, mba ho tonga maro eny Anosiavaratra hijery ny fandrosoan’ny asa. Hitaizana ny tanora ny akany izay hatsangana ary an-dalam-panafoana izany izao isika, hoy izy. Ny zanaka am-pielezan’Ambohidanierana rehetra dia natao hisitraka izany akany izany avokoa. Natao hahazaka olona hatramin’ny 300 isa ity akany izay manana lavany 40 metatra sy sakany 20 metatra ity. Miantso ny fifanohanana eo amintsika samy zanaka am-pielezana, hoy hatrany ny tenany, fa sady hiala voly sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika no hanao asa fanompoana ihany koa. Ny antoko mpihira zanaka am-pielezana ihany koa dia ny Taratry ny mazava ihany no hanafana ny fotoana, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap