airtel

Sosialy

21-juil-2022

Sosialy

Akora fototra fibre végétale Hitady lalam-barotra ivelany ireo vehivavy mpandraharaha

Sample post image

Anisan'ny akora fototra hitadiavan'ny fitondram-panjakana vahaolana ny mikasika ny fibre végétale. Hatreto mantsy dia mbola akora tsy voahodina izy ireny no haondrana any ivelany nefa tokony hamorona asa ho an'ny mpiray

21-juil-2022

tanindrazana ary ho afaka hamelona ankohonana maro. Nahita hevitra mikasika izany ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin'ny « Entreprendre au feminin de l'ocean indien » na ny EFOI. Fantatra ary fa hikarakara hetsika goavambe mifandraika amin'izany any Nosy be izy ireo ny 25 ka hatramin'ny 28 Aogositra ho avy izao. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala dia efa andiany faharoa ity hetsika ity . Tanjona ny hahafahana mitady vahaolana mikasika ity akora fototra fibre vegetale ity no sady hanofanana ireo mpandraharaha malagasy misehatra amin'izany ihany koa. Ankoatra izay dia hanatanteraka hetsika any Toamasina koa ny EFOI amin'io daty voalaza etsy ambony io ihany. Salon du business indray no anarana nampitondraina ity hetsika ity. Natao hitadiavana lalam-barotra, hanampiana ireo mpandraharaha madinika sy salantsakany no tanjona arahina fanomezana fiofanana ihany koa. Ho avy handray anjara amin'io salon io ireo mpanohana ara-bola toy ny smec, ireo karazana banky mpampihindram-bola madinika....Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireon izay liana amin'izany raha miisa 200 kosa ireo mpandray anjara andrasana ao anatin'ireo hetsika roa ireo.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara ny hetsika nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap