airtel

Sosialy

24-juin-2022

Sosialy

Alasora Avaradrano Zokiolona 1051 nozaraina fanampiana omaly

Taorian’ireo mpanala fanadinana CEPE dia tsy nanadino ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

24-juin-2022

Nozaraina fotsimbary 3 kg isanisany izy ireo omaly ho fanampiana azy noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Miisa 1.051 ireo nahazo tombontsoa tamin’izany, avy amin’ny Fokontany 20 isa, fizarana natao tamin’ireo sita miisa 6. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy, dia hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona ny tahaka izao. Teti-bola madiodion’ny kaominina hatrany no nanaovana izany, ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Mbola hitohy rahampitso Sabotsy 25 Jona moa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an’ny kaominina Alasora. Hosantarina amin’ny rindran-kira ara-pilazantsara hotanterahina eny Ankadindratombo izany ny folakandro. Ho avy hanafana ny lanonana ireo mpanankato malaza toa an’i Fara Church, Antsan’i Kristy hotronin’ireo antoko mpihira ao anatin’ny kaominina. Hitohy amin’ny fampisehoana goavambe handraisan’ireo artista malaza anjara ny lanonana, ahitana an’i Ariane Joy, Marion, ary Wada & Yooungs. Amin’ny 07 ora sy sasany kosa no hotontosaina ny fandefasana ny afomanga, ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Miantso ny tanoran’Alasora mba tsy hihoam-pefy araka izany ny Ben’ny tanàna fa hanao fety amim-pilaminana sy amim-pifaliana tanteraka hisorohana ny olana mety hitranga.
Pati
Legende : Nahazo fanampiana tahaka izao avokoa ny rehetra
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap