airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Ambanin’ny rovan’i Manjakamiadana Nametrahana kofehy mena ireo faritra tandidomin-doza

Sample post image

Efa hatomotra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ka maro ireo olona mipetraka amin’ny faritra avo no tandindomin-doza.

05-nov-2021

 Rehefa latsaka mantsy ny orana dia miteraka fihotsahan’ny tany sy fikorisan’ny vato izay manimba trano sy mety hamoizana ain’olona mihintsy izany. Noho izany dia tonga teny an-toerana ny ekipan’ny BNGRC miaraka amin’ireo solon-tenan’ny eo anivon’ny Faritra, Distrika, CUA, Prefektiora, Sapeurs Pompiers, CPC, ary ny Fokontany hamaritra ireo toerana rehetra izay hatahorana ho tra-doza ary ihany koa hanomezana toromarika ireo mponina amin’ny fepetra tokony ho raisiny raha sanatria misy tranga mampiahiahy na misy loza mitranga mihitsy aza.Ny tanjona amin’izany dia ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny loza na tandidondoza izay mety hiantraika amin’izy ireo, ka tokony hiomanan’ireto farany mialoha amin’ny fitrangan-javatra izay mety hiseho.Fokontany 6 no voakasik’ilay faritra tandidomin-doza mivantana, izany hoe 50 ka hatramin’ny 70 metatra miala ny vodi-tanetin’i Manjakamiadana no ametrahana ilay «Bande rouge» izay mamaritra ireo faritra mena.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap