airtel

Sosialy

18-févr-2021

Sosialy

Ambatondrazaka Olona 4 saika matin’ny fihinanana maionezy

Sample post image

Mety hahafaty ny mainonezy raha milon’andro na koa efa nodanian’ny masoandro be tafahoatra nefa mbola hohanina ihany.

18-févr-2021

 

 

Olona efa-mianaka no voatery naiditra hopitaly tany Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka ny alatsinainy lasa teo, rehefa avy nihinana sakafo nisy maionezy. Sakafom-piangonana niara-nihinana no nahatonga izany. Tsy niandry ela fa tamin’io fotoana io ihany dia nisy narary an-doha mafy ny sasany tamin’izy 4 ireo raha nisy ihany koa ny nivalana. Na izany aza efa voaray an-tanana avokoa izy ireo ary tsy misy ahiana ny ainy. Tsiahivina moa fa ny atodim-borona havadika ho maionezy ihany koa dia mety hitarika fahapoizinana ara-tsakafo tahaka izao ka tokony samy hitandrina ny tsirairay.

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap