airtel

Sosialy

28-juin-2022

Sosialy

Ambavahaditokana Ny vola efa voaloa, ny Jiro 80 an’ny Jirama tsy tonga

Sample post image

Jiro miisa 80 isa no tokony apetraky ny orinasa JIRAMA ao anatin’ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano saingy tsy mbola tonga hatramin’izao.

28-juin-2022

Mitentina 80 tapitrisa Ar ny vola efa naloan’ny kaominina raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratoetrarinanja Jean Louis tamin’ny alalan’ny taxe. Tena ilaina anefa ny jiro hahafahana manazava ny tanana raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany. Na ny vato hanamboaran-dalana aza mantsy hoy izy hangalarin’ny olona, antony nanomezana fahefana ny polisy sy ny zandary teny an-toerana. 2 km amin’ilay tetikasa lalan-kely mirefy 5 km hatao rarivato sisa no tsy vita ao anatin’ity kaominina ity. Ny 1 km amin’izany no vatsian’ny Ministeran’ny asa vaventy vola raha ny Agence Française de developpement kosa no mamatsy vola ny lalana 4 km ambiny. Saika mahazo tombontsoa amin’ny fahavitan’ity tetikasa lalankely andiany fahatelo ity avokoa ireo Fokontany 6 mandrafitra ny kaominina hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa paompin-drano fisotro madio miisa 13 ihany koa raha kely no efa natsangana ao anatin’ity kaominina ity hahafahan’ny mponina misitraka izany. Santionany amin’ny asa mandeha ihany ireo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany.
Pati
Legende : Miezaka amin’ny fametrahana jiro hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny kaominina Ambavahaditokana
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap