airtel

Sosialy

07-juin-2021

Sosialy

Ambilobe Saika namidiny tamin’ny vazaha ny zanany

Sample post image

Zava-doza no saika nitranga tany amin’ny distrikan’Ambilobe. Zazalahikely iray vao 8 taona monja no saika namidin-drainy

07-juin-2021

 

 tamina tera-tany vahiny Raim-pianakaviana iray. Tamin’ny sabotsy hariva teo no tonga mivantana tao an-tokantranona tera-tany vahiny iray tao Matsaborilaidama ao Ambilobe ity Ray tsy mataho-tody ity. Mbola any amin’ny Renibeny any Ramena anefa no mipetraka io zazalahikely io. Tsy nisalasala ilay teratany vahiny araka izany nitantara tamin’ny fokonolona ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy tsy mataho-tody ity. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy noho izany ka nalefa any amin’ny zandary any Antsiranana ho fiarovana ny ainy. Na izany aza dia efa mandeha ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity amin’izao fotoana izao.


Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap