poizina tany Amboasary gara, distrikan’i Moramanga ny fiandohan’ny volana Janoary lasa teo izany hoe : ny andron’ny taom-baovao mihitsy. Raha araka ny fantatra dia olona nivavaka ary niara-nisakafo noho ny fitsenana ny taona vaovao 2024 izy ireo. Tombanana ho mety vokatry ny fihinanana maionezy tamin’ny sakafo no nahatonga izao loza izao raha mandeha ihany koa ny feo fa sardines tao anaty boaty efa lany daty no nanapoizina azy ireo. Betsaka ireo fanina dia nandoa nandritra izany raha nisy ihany koa avy hatrany dia nipiriritra nivalana…. Efa nisy namonjy fodiana moa ny sasany tamin'ireo marary hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo olona narary tratra ity fahapoizinana ara-tsakafo ity !
SARY INDRANA
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,