Notokanan'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM) niaraka tamin'ny Praiminisitra sy ireo mpikambana maromaro ao amin’ny Governemanta ny tetikasa fanamafisana ny famatsian-drano fisotro madio mampitohy an’Andranogoa sy Ambovombe. Rano fisotro madio ho an’ny vahoakan’Androy taorian’ny fiandrasana naharitra nataon’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Tsy fotodrafitrasa fotsiny, fa filàna fototra iankinan’ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny mponina. Miompana amin'ny fametrahana fantsona mpitondra rano manana savaivony 180 milimetatra, mirefy 28 kilometatra eo ho eo, mampifandray an’Andranogoa sy Ambovombe, ka 33 500 ny mponina hisitraka tombontsoa. Tanàna 20 no kendrena hahazo fanatsarana ny famatsian-drano, mba ho afaka hisitraka rano anatin’ny 24/24ora anatin’ny fenitra 25litatra isan’andro isan’olona. 400 m³ isan’andro ny habetsahan’ny rano fanampiny vinavinaina, ary tafiditra ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ara-teknika fanampiny sy ny fametrahana ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana ny tambajotran-drano. Tanjona ny hanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio, hanamafisana ny fitohizan’ny famatsian-drano ary hampihenana ny fahasahiranan’ny tokantrano amin’ny fahazoana io harena fototra ilain’ny fiainana io. Ao anatin’ny toe-javatra mbola iatrehan’ny mponin’Androy ny fanamby mifandraika amin’ny fahazoana rano, dia zava-dehibe ny fisian’ny fotodrafitrasa mamaly ny filàna andavanandro. Manasongadina ny lanja omen’ny Fanjakana ity tetikasa ity ny fanatrehan’ny PRRM, ny Praiminisitra ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Ny tena andrasan’ny vahoaka dia tsy ny fampanantenana fotsiny, fa ny asa mivaingana mitondra fiovana eo amin’ny fiainany, ary porofoin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny asa mivaingana. Tao anatin’ny volana vitsivitsy nanaovana ny asa, efa nisy dingana lehibe vita tamin’ny fanamafisana ny famatsian-drano ho an’Ambovombe. Maneho izany fa ny tetikasa fotodrafitrasa dia afaka mitondra fandrosoana azo tsapain-tanana rehefa tanterahina sy arahina akaiky. Na izany aza, ny fitohizan’ny fahombiazan’ity tetikasa ity dia mbola hiankina amin’ny fampandehanana ara-dalàna ireo fotodrafitrasa sy ny fahafahan’ny mponina misitraka rano amin’ny fomba maharitra. Ho an'ny Faritra Androy, tena fandrosoana lehibe mivantana mifandraika amin’ny fahasalamam-bahoaka, ny fahadiovana, ny fahamendrehan’ny maha-olona ary ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Ho an’ny Fitondrana Fanavaozana, fanamby ny manohy mamadika ny fampanantenana ho asa vita, ny fotodrafitrasa ho tolotra tena sitrahana ary ny fampiasam-bolam-panjakana ho fanatsarana tsapan’ny vahoaka.
Toky R