airtel

Sosialy

08-janv-2024

Ambodifahitra, Ambohidrabiby

Miaina anaty aizina ny mponina

Sample post image

Mampalahelo raha toy izao avokoa ny manjo ny mpanjifa herinaratry ny JIRAMA,

08-janv-2024

hoy ny Mpitandrina Lazasoa Rivondrabevalala Rakotondranaivo, mitantara ny zava-misy ao Ambohidrabiby, kaominina iadidiany, ny sabotsy teo. Efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona 2024 ity no nianjera ny andrin-jiro eto Ambodifahitra, kaominin’Ambohidrabiby, hoy izy. Tapaka ny jiro eto amin'ny fokontany ka dia miaina anaty aizina tanteraka ny mponina ety Ambodifahitra amin'izao taona vaovao 2024 izao. Ny tena mampalahelo dia tsy afaka miasa ireo olona mivelona mampiasa milina amin'ny herinaratra. Vao nitranga ny fahatapahana dia efa niantso ny laharana maitso 547 JIRAMA izahay ary nahazo ny “référence” na fampahafantarana fa voarain'izy ireo ny fitarainana. Samy niantso ny laharana maitso JIRAMA avokoa na ny vahoaka tsotra, ny fokontany. Ny ben'ny tanàna aza dia namerina niantso isan'andro saingy hatramin'izao ora izao dia mbola tsy tonga ny JIRAMA. Ambodifahitra dia 19km manaraka ny RN3 mivily 900m miala ny lalam-pirenena. Fitarainana ihany izao fa afaka hanao inona tokoa moa izahay fa dia miandry ny faktiora volana janoary izay tsy maintsy aloha ara-potoana. Mankahery antsika mponina tsirairay fa dia zakain'ny miakandrefam-baravarana izy ity, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique