airtel

Sosialy

08-déc-2021

Sosialy

Ambodin’Isotry Misavovona tonga eny afovoan’ny arabe ny fako

Sample post image

Misavovona indray ny fako eto an-drenivohitra. Ho an’ny etsy Ambodin’Isotry raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia efa ho andro maromaro izao no tsy nisy naka intsony izany.

08-déc-2021

 Vokany, tonga hatreny afovoan’ny arabe ny fako izay mila hanapaka ny arabe mihitsy no sady mamoaka fofona. Mahatsiaro ho sahirana ny mponina araka izany indrindra fa ireo manana ankizy madinika. Toraka izany koa ireo mpivarotra hani-masaka sy hena eny an-toerana ary trondro. Hitangoronan’ny lalitra mantsy ny entana hamidin’izy ireo ka mihemotra hatramin’ny mpividy. Marihina anefa fa ankoatra ireo fako toy ny harona sachet plastika mainty, ny tavoahangy dia fako karazan-tsakafo lo, ny hoditra voankazo isan-karazany toy ny lodisia sy manga ity fako ity ka ahiana hiteraka aretina ny fofona entiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pati
(sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap