airtel

Sosialy

06-oct-2021

Sosialy

Ambohimanarina Zokiolona maro notoloran’ny CNaPS 100 000 -1 000 000 Ar

Sample post image

Nitondra fanampiana sy fankasitrahana ireo mpikambana mahafatra-po ao aminy mihoatra ny 75 taona ny CNaPS, ka natomboka teny izany ny teny Ambohimanarina izany,

06-oct-2021

izay mifanindran-dàlana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy. Tonga nanolotra izany ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Mamy Rakotondraibe sy ny Minisitry asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy ny 01 oktobra lasa teo, ka nihaona sy nitafa mivantana tamin’ireo zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono eo anivon’ny CNaPS. Natolotra an-tànana azy ireo ny lelavola tsy haverina ho an’ireto mpisikatra voalohany ireto, ho mariky ny fankasitrahana. Tsy vao voalohany tamin’ny fanolorana fanampiana nataon’ny CNaPS ity natao ity, fa efa misy ny fiantohana ho an’ny fahanterana, ho an’ny loza am-perin’asa, ny aretina,… izay efa voarakitra ao anatin’ny antontan-kevitry ny CNaPS izay nofaranana ny 31 aogositra ny fikirakirana. Lelavola hatrany amin’ny 1 940 000 000Ar no hatontona amin’ny hetsika ho an’ny olona 17 510 mpisitraka tombotsoa (pensionné/rentier) eo anivon’ny CNaPS. Ho an’ny tetibola 2021, dia voalaza fa efa misy ny tahiry efa voaomana amin’izany. Tamin’ity fisitrahana ity, dia lelavola 100 000Ar no nositrahan’ireo zokiolona 75 hatramin’ny 89 taona; 150 000Ar ho an’ny 90 hatramin’ny 99 taona, ary 500 000Ar kosa ho an’ny 100 taona noho miakatra. Zokiolona efa tena vonton’ny taona miisa 10 nahazo 1000 000Ar avy. “Miezaka hatrany ny CNaPS mitondra tohana sy fanampiana mba ahafahan’ny tsirairay misitraka tohana ara-tsosialy, izay hatsaraina araka ny fotoana. Ho an’ny zokiolona sy ireo efa tena vonton’ny taona, dia tena horaisin’ny CNaPS an-tànana manokana”, hoy ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap