airtel

Sosialy

27-févr-2024

AMBOHINOSY ALAKAMISY FENOARIVO

Bebe tezitra tamin’ny sipany, tratra nanongotra volin’olona

Sample post image

Tsy voatery ho matotra foana kay ny olona na dia efa lehibe aza.

27-févr-2024

Bebe iray manodidina ny 60 taona eo ho eo no tratran'ny zandary avy nanongotra volin'olona teny an-tsaha teny Ambohinosy, fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano ny alin’ny Alahady teo tokony ho tamin'ny 10 ora. Raha nambarany dia avy nifamaly tamin'ny sipany Rabebe ka tezitra mafy hany ka voatery nitady zavatra nanatoniana ny fony. Efa fanimbana fananan’olona anefa no nataony na inona na inona mety ho anton’izany.Nampitandremina mafy ny zandary noho izany mba tsy hamerenany izany fihetsika mampalahelo izany intsony.
Pati
Legende : Sady nalaina sary Rabebe no nasaina nilanja ity taratasy ity fa ho bebe maodely amin’izay, hono, !
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Vahiny manokan’ny fandaharana Bemiray eo anivon’ny onjam-peo Top Radio FM 102.8

Card image cap
02-juin-2025

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny tsangambaton’ny FISEMARE na Firaisamben’ny

Card image cap