airtel

Sosialy

08-déc-2021

Sosialy

Ambohipo, Ankatso, Ambatomaro Tezitra noho ny krizin-drano ireo mpianatra

Sample post image

Raikitra indray ny grevin’ny mpianatra teny Ankatso sy ireo avy eny Ambatomaro omaly noho ny tsy fisiana sy tsy fahampian’ny rano eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra.

08-déc-2021

 Ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata no efa nihetsika nanakan-dàlana ny teny Ambohipo, ary dia io niitatra io indray. Nilaza ho leo tsy fisian-drano, ary naneho fa vahaolana maharitra, rano tonga isan-trano no ilainy fa tsy “bonbone”, izay nolazain’izy ireo fa zara raha “blocs” 2 amin’ny 37 ihany no misitraka izany eny Ankatso 1 sy 2. Nihazo ny oniveristen’Antananarivo, ka nandoro azo sy kodiarana. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy misy rano tonga isam-baravarana. Toy ny pipin-jazazakely ny rano kanefa amin’ny 1ora maraina vao mba mandeha. Mila mandeha daholo ny paompy rehetra, ary vahaolana maharitra no takiana, fa tsy “bonbone”, hoy hatrany ireo. Efa ho lava ity grevy momba ny tsy fisian-drano ity, ka irariana ny ahitana vahaolana maharitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap