iray izay voalaza fa efa tratry ny aretin’ny fahatapahana lalan-dra ary tsy afaka nitsangana nanavotra ny tenany intsony no namoy ny ainy vokatr’izany. Niezaka ny namonjy ity farany ilay zanany raha araka ny fantatra hatrany saingy may ihany koa ka tsy afa-nanoatra. Notsaboina herinandro ihany koa moa ity farany dia maty namoy ny ainy raha araka ny vaovao azo hatrany. Hatramin’ny omaly nanoratanay ny vaovao moa dia tsy mbola fantatra izay antony nahatonga ny afo. Teo an-danin’izay anefa dia lasa lavenona avokoa ny entan’ireo fianakaviana rehetra nonina tao amin’ilay trano. Ny hany fantatra dia misy mpivarotra hani-masaka ao anatin’ireo fianakaviana miisa 7 samihafa ireo. Ny sampana mpamonjy voina avy any Ivato moa no mamonjy ireo kaominina eny amin’ny manodidina sendra voina tahaka izao raha tsiahivina fa tsy mbola manana ireo kaominina sasany.
Pati
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy