airtel

Sosialy

04-avril-2022

Sosialy

Ambositra Notolorana fanampiana ireo olona sembana

Sample post image

Nitsidika ireo ivon- toerana misahana ny zaza kamboty sy ireo olona manana fahasembanana tao Ambositra ny

04-avril-2022

 Filohan'ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine sy ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nanolorana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ho azy ireo ho fanohanana ny ezaka ataon'ireo Pretra sy Relijiozy mpitantana ireto ivon- toerana ireto.Ankoatra izay dia nojerena manokana ihany koa ireo olona sahirana ara-pivelomana any amin’ity distrika iray ity amin’ny alalan’ilay tetikasa haraton’aina. Tetikasam-panjakana izay harindran'ny Minisiteran'ny Mponina, vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin'ny FID eny ifotony izy ity.Raha tsiahivina dia miisa 2975 ireo tokantrano marefo tao an-toerana nandray ny Vatsin'Ankohonana izay tohana ara-bola avy amin'ny fitondram-panjakana. Ny mba hahafahan’ireo tena sahirana miarina sy manatsara ny fidiram-bolany no tanjona, indrindra taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza mahery vaika farany teto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahazo seza hahafahany mihetsika tahaka izao ireo olona manana fahasembanana
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap