Ankoatra ny haintany izay tsy hahafahana mamokatra sy misy mitera-doza amin’ny fahasalamana dia hijaliana ihany koa ny fisitrahana ny rano fisotro madio . Vidiana 1 .500 Ar hatramin'ny 3. 000 Ariary ny rano iray didon miloko mavo 20 litatra. Raha araka ny fantatra efa ho 4 volana izay no nijanona ny famatsiana rano fisotro madio tao amin'ny kaominina ambonivohitra Ambovombe Androy. Toy ny tsy fantatry ny fanjakana anefa izany hatreto na dia efa nanaovana tatitra aza ka tsy mbola voavaha ny olana hatreto. Tsiahivina moa fa kamiao mpibizina no misy any an-toerana izany hoe : mivarotra rano lafo dia lafo tokoa fa ilay taloha dia vonjy rano vaky fotsiny hoy ireo mponina fa tsy nisy fitohizany.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny rano fisotro madio any amin’ny kaominina Ambovombe Androy !
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.