hanatsarana ny sata fototra, ny famolavolana ny fitsipika anatiny, ny momba ny teti-bola hiasana ho amin’ny taona 2023 ny birao mpitantana izany. Tao amin’ny tranoben'ny tantsaha Ambohimiadana Ambositra izy ireo no nifamotoana ny 22 sy 23 desambra teo. Nisolo tena ny DRICC tao amin’ny PLATMIAM moa ny lehiben'ny sampandraharahan'ny varotra izay misahana ny vaomieran’ny tsena sy ny varotra. Nanomezan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy toromarika ny mpiara-miasa aminy, nandritra ny fivoriana notarihiny tamin’ny alatsinainy 26 desambra teo ny mba hijerena akaiky sy hanaovana ny ezaka rehetra hametrahana ny seha-pihariana tantely amin’ny toerana mendrika azy. Sady azo hanatsarana ny fivelomana ny tantely hoy izy no vokatra azo trandrahana tsara hampiavaka antsika Malagasy ihany koa.
Nangonin’i Pati
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.