airtel

Sosialy

22-nov-2023

AMPANDRIANOMBY

Tapa-bolana tsy nahazo rano, nitokona ny vahoaka

Sample post image

Leo ny fahatapahan-drano lava iainany ireo mponina eny Ampandrianomby.

22-nov-2023

Raha araka ny fitarainan’izy ireo mantsy dia efa ho tapa-bolana izao tsy nahazo sy nisitraka rano fisotro madio intsony izy ireo. Na ny rano handrahoan-kanina aza tsy misy intsony raha efa hiafiafiana any amin’ny vovo ny rano hanasan-damba sy hidiovana. Nitokona ary nanakan-dalana niaraka tamin'ny bidon miloko mavo izy ireo noho izany omaly hariva nanomboka tamin’ny 05 ora teo ho eo. Nitohy tamin’ny fandoroana kodiarana izany izay tena niredareda tokoa. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany moa dia efa nampandre ireo tompon'andraikitra eo anivon’ny JIRAMA izy ireo saingy nandamoka hatrany izany. Mandeha tsara ny bizina rano noho izany indrindra fa ho an'ireo manana fiara. Olona maromaro hatreto no fantatra fa efa mivelona amin’izany. Mitondra rano avy any ivelany ireto farany ary manafika eny an-toerana ka mivarotra ny iray bidon miloko mavo ho 1.000 hatramin'ny 5.000 Ar. Misy mamoaka vola hatramin’ny 10.000 Ar araka izany ny tokantrano iray mba hividianan-drano hidiovana sy hosotroina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana notanterahin’ny mponina teny Ampandrianomby omaly !

 

Dans la même rubrique