izy ireo no sady nitondra zazavavy kely nandositra, zanaky ny havan'ilay mpampiasa azy izay vao 4 taona monja. Efa herintaona niasana tao amin’ity tokantrano ny iray tamin’izy ireo. Nahatoky azy ny mpampiasa vokatr’izany ary nanaiky ny hiakaran'ireo iraitampo aminy eto an-drenivohitra hanampy amin'ny asa an-trano hataony . Ankoatra ilay zaza tsy manan-tsiny dia nitsoaka niaraka tamin’ny solosaina, "tablette" sy ny maro hafa izy ireo. Efa nampandrenesina moa ny mpitandro ny filaminana raha araka ny fantatra. Arahi-maso ihany koa ny fiavian’izy ireo any Antsirabe.
Nangonin’ i Pati
Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.
Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,