airtel

Sosialy

27-août-2021

Sosialy

ANDAVAMAMBA Hisy tanana vaovao hiforona

Sample post image

Mba hahafahan’ireo asa fanadiovana ny lakan-drano C3 mandalo etsy Andavamamba mizotra an-tsakany sy andavany dia tsy maintsy hisy fianakaviana hafindra toerana.

27-août-2021

Misy toerana vaovao hantsangana ao Andavamamba handraisana ireo fianakaviana ireo. Tokanrano miisa 84 no hipetraka amin’io toeram-ponenana vaovao io. Trano 29 miisa izay hizara « appartements » 87 no handrafitra izany. Hisitraka foto-drafitrasa fototra ihany koa ny mponina amin’io toerana vaovao io toy ny rano fisotro madio, ny tsena, ny toerana fanasan-damba, sns. Hitondra ny anjara biriky lehibe amin’ny fanatsaràna ny fiainan’ny mponina amin’ireo faritra sahirana ny fananganana io toeram-ponenana vaovao ao Andavamamba ity. Ny Fitondram-panjakana moa no hanatanteraka izany no sady hanomezana endrika ny tanana ihany koa. Tsy ireo rehetra voakasika sy tsy maintsy mifindra toerana anefa ny fisitrahana ity tetikasa ity satria voalaza fa misy amin’ireo fianankaviana no nisafidy fanonerana amin’ny endriny hafa. Araka ny drafitra novolavolaina amin’ny fametrahana ireo olona ireo amin’ny fotodrafitrasa na ny PAR (Plan d’Action de Réinstallation) izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré de Résilience), dia afaka nisafidy fanonerana izy ireo na famindrana amina toerana vaovao, na karazana “indemnité” mitovy sanda amina famindrana azy ireo amina toeram-ponenana vaovao.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap