airtel

Sosialy

16-mars-2023

Sosialy

Andraharo Atao fanadihadiana ilay orinasa mikasa hampiditra “robot”

Sample post image

Betsaka ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny iainan’ny mpiasa malagasy amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE.

16-mars-2023

Naha be resaka tato ho ato ny fisiana orinasa mikasa hampiditra « robot » na olom-by etsy Andraharo, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Mandeha ny fanadihadiana ataonay mikasika azy io izao. Ho avy ihany moa ny fotoana hampahafantarana izany ireo mpanao gazety fa raha ny fantatra hatreto aloha dia hatramin’ny taona 2010 no efa nisy nampiditra tsikelikely izany. Midradradradra nefa isika eto Madagasikara hoe tsy ampy ny tsenan’ny asa eto raha mitaha amin’ny olona mitady asa. Ny ankamaroan’ny orinasa kay mivoy tsikelikely izay fanoloana olomby ny olombelona na « robotisation » izay. Ireo orinasa manao “trico” na tenona no tena betsaka mampiasa izany izao. Misy ny masinina ho an’ny lamba na “textile” dia misy koa ny “robot” natokana ho an’izay “trico” izay. Hatramin’ny fanjairana na “broderie” koa izao efa mampiasa. Misy masinina manana loha miisa 12 na “12 têtes” moa no filaza azy izao. Mahavita zaitra miisa 9 anaty 5 segaondra io. Raha mitohy izany io dia hitombo ny fahaverezan’asa nefa ny famoronana asa tsy misy. Raha tsy ho voafehin’ny fitondrana izany dia na hatramin’ny CNaPS aza mety ho tandindonin-doza satria tsy hisy hanao latsakemboka intsony ao dia tsy hisy mpiasa hisitraka fisotroan-dronono koa. Ny samy malagasy koa atahorana hifampinana eto. Manentana ny fitondram-panjakana handray ny andraikiny satria izy ihany no afaka manakana izany. Manentana ny mpiasa koa mba ho mailo sy hifanome vaovao aminay raha mahatsikaritra izany zavatra izany satria tsy hahasoa ny firenena izany. Misy masinina mampiasa “laser” izay ihany koa izay hita any amin’ny sampana fanapahana na “section coupe”, araka ny fanadihadianay, izay miteraka fofona tena tsy zakan’ireo mpiasa ary mety ho ahiana ny fahasalamana. Eo ny fahasemporana, ny aretin’andoha, ny aretin-tratra sy ny maro hafa saingy gaga moa izahay hoe tamin’ny nampidirana izany teto ve tsy nisy fanadihadiana tekinika fa dia hoe mampidi-bola fotsiny io dia ampidiro na dia hampidi-doza amin’ny fahasalaman’ny mpiasa aza, hoy hatrany ny FISEMARE ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap