airtel

Sosialy

28-avril-2025

ANDRAISORO-TSARAHONENANA…

Vidiana 3.000 Ar ny rano iray bidon

Sample post image

Vidiana 3.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo ao Andraisoro, Tsarahonenana, Fort Duchesne, Antsahameva…amin’izao.

28-avril-2025

Mahalany 12.000 Ar ny tokantrano iray raha mampividy rano 4 bidons izay nomarihin’ny Renim-pianakaviana iray fa tsy ampy hampiasain’ny tokantrano iray ao anatin’ny tokantrano iray akory saingy tsy maintsy mihafy. Vokatry ny fahatapahan’ny rano vatsian’ny JIRAMA avokoa no mahatonga izany. Efa ho 2 volana mantsy izao no tsy nandeha intsony ny rano tao amin’ireo tanana voalaza etsy ambony ireo. Ritra ihany koa ny vovo noho ny fihazakazahan’ny isan-tokantrano mba hatsaka amin’izany indrindra fa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana. Mahatsiaro ho sahirana ny mponina vokatr’izany. Eo an-danin’izay anefa dia tsy maintsy aloha toy ny mahazatra ihany ny faktioran-dranon’ny JIRAMA rehefa mifarana ny volana. Nomarihin’ireo mponina moa fa midangana lavitra noho ny vidin’ireo PPN eny an-tsena ny vidin-drano eny aminy. Mandeha dia an-tongotra lavitra mantsy ireo mpatsaka vao mahita paompy mandeha hany ka lafo dia lafo ihany koa no hamarotany izany.
Pati
(Sary fanehoana) 

Dans la même rubrique

01-juil-2025

Malaza ankehitriny ny resaka ilontsaina artifisialy na «intelligence artificiel»,

Card image cap