airtel

Sosialy

16-août-2022

Sosialy

ANDRAMAHAVOLA ITAOSY Herinandro tsy nahazo rano fisotro madio

Sample post image

Hijaliana ny rano fisotro madio eny Itaosy Atsimondrano eny. Ho an’ny Fokontany Andramahavola,

16-août-2022

kaominina Ambohidrapeto manokana dia fantatra fa efa ho herinandro izao no tsy nisitraka rano fisotro madio intsony ny mponina. Tapaka tanteraka mihitsy izany hoy ny mponina raha mba nisy kely teo aloha. Vokany, voatery mifandrombaka maka rano any anaty vovo avokoa ny ankamaroan’ny mponina izay tsy maintsy handoavam-bola ihany koa. Betsaka anefa ireo tsy mahavatra ny mampangotraka izany vao misotro hany ka lasibatry ny aretin-kibo ihany koa. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny orinasa JIRAMA ireo mponina any an-toerana mba hametraka hatrany ilay baombaona lehibe isaky ny faritra hahafahana mamatsy rano tsy tapaka ny isan-tokantrano raha sanatria ka tapaka ny paompin’ny JIRAMA. Tsy araka mantsy ny hividy rano voavoatra amin’ny tavoahangy hatrany hoy ny mponina. Nomarihin’ireto farany hatrany moa fa ankoatra ny jiro dia tsy mitsaha-midangana ihany koa ny vidin-drano, nefa tapa-dava tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilaharana tahaka izao ny rano eny Atsimondrano eny !
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap