Faritra Menabe afak’omaly 04 jona. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nihinana ilay karazan-trondro antsoina hoe : fanoara izy ireny ny 03 jona lasa teo. Tsy nahazaka ny fanaintainana sy ny aretin-kibo nateraky ny fihinanana io trondro misy poizina io anefa izy ireo ka namoy ny ainy avy hatrany raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao an-toerana kosa ireo Ray aman-dReniny sy ilay olona iray nivahiny tao amin’izy ireo. Raha araka ny fanazavan’Atoa Albert Roland, Ben’ny tanàna ao an-toerana dia tsy misy atahorana intsony ny ain’ireto farany. Na izany aza mbola mandray an-tanana ny fahasalaman’izy telo mbola tsaboina kosa ireo ity tompon’andraikitra ity sy ny tompon’andraikitra misahana ny fitaleovam-paritry ny jono any Menabe. Nanambara moa ireto farany fa tsy azo hanina mandavan-taona mihitsy ny trondro antsoina hoe any amin’iny Faritra Menabe iny noho izy misy poizina tena mahafaty. Mitohy ny fanentanana ny mponina noho izany.
Pati
(Sary fanehoana)
Nisokatra ofisialy nanomboka omaly 16 aprily tamin’ny alalan’ny fampiratiana maharitra 3