airtel

Sosialy

04-nov-2021

Sosialy

Andranovelona Ilafy Fijaliana ny resaka rano

Sample post image

Velon-taraina ireo mponina mianavaratr’Antananarivo, ny marimarina kokoa dia iny Andranovelona Ilafy sy ny manodidina azy iny manoloana ny fiantraikan’ny tsy fisian’ny rotsak’orana hatramin’izao.

04-nov-2021

 Ritra hatramin’ny lavadrano, raha ny fampitam-baovaon’ireo mponina. Fijaliana, noho izany, ny resaka rano, araka ny nambaran’ny fianakaviana iray tonga miakatra eto Antananarivo amin’ny fiarakodia mihitsy mba hatsaka rano amin’ny havana ahafahana mahazo rano amin’ireny zerikanina ireny. Maina ny tanimbary ary tsy zarizary koa ny fambolena sy fiompiana ary ireo fihariana manodidina izany, noho izany olana ara-tontolo iainana izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Isan’ny antsoavo atao, noho izany, ny fanabeazam-boho ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana, indrindra, amin’ny alalan’ny fampitsaharana ireo tavy sy doro tanety.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Card image cap