tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Sosialy

Andrebakely Amparafaravola Olona 18 no voapoizin’ny maionezy

Olona miisa 18 no fantatra fa voapoizin’ny maionezy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andrebakely, distrikan’Amparafavola, Faritra Alaotra Mangoro afak’omaly.

17-mars-2023

Sample post image

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nivadika ho poizina io maionezy io izay vinavinain’ireo nanatri-maso fa mety ho vokatry ny hafanana nefa mety ho vokatry ny fahaelan’ny fotoana nanaovana azy ihany koa. Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao mantsy ny ZAP tany an-toerana tamin’io andro io ka sakafon’olona maro no tsy maintsy nomanina sy nokarakaraina. Fomba niandohan’ny aretina ny fahararian’ny kibon’ireo olona nihinana izany. Nisy ihany koa ireo nandoa sady nivalana, tranga tsy voafehy raha tsy tonga tany amin’ny hopitaly. Na izany aza avotra soa aman-tsara avokoa izy 18 mianaka mianadahy ireo, tsy nisy ny aina nafoy.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fikambanana « JAMAIS MORT » Nanampy ny vahoaka tany Vangaindrano
27-mars-2023

Ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 dia nanatanteraka hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort. Fitsinjarana

Card image cap
Fikambanana misahana ny fifindra-monina Tonga eto ny Kandidan’ny Amerikanina
24-mars-2023

Mitsidika an’i Madagasikara ny Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana Michele J. Sison sy ny kandidan’i Etazonia

Voir plus