airtel

Sosialy

25-mars-2022

Sosialy

Andriampeno Ramiliarison “Tokony hijery loharanon-tsolika hafa isika”

Sample post image

Midina be latsaky ny 100 dolara izao ny barilin-tsolika amin’izao isika miresaka izao (TTF: omaly), hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny faribolam-pandinihan’ireo mpahaitoekarena eto Madagasikara na CREM,

25-mars-2022

 Andriampeno Ramiliarison. Izany anefa, hoy izy, dia efa ambany noho ny vinavina napetraka ho an’ny tetibolam-panjakana. 122 dolara eo ny vinavinan’ny fanjakana sy ireo mpandraharahan’ny solika, raha tetibolam-panjakana 2022. Tokony hiverina amin’ny laoniny noho izany ilay izy saingy ny mampanahy dia hoe raha sanatria ka nanafatra solika tamin’iny fotoana nampidangana be ny vidiny iny ireo mpandraharaha ara-tsolika ireo dia tsy maintsy hampihatra ny vidiny mifanaraka amin’izay izy. Fantantsika fa miakatra be koa ny saran’ny fitanterana an-dranomasina. Isan’ny mety ho kajiany koa izay. Raha izao izany no manafatra ireo mpandraharaha dia tsy tokony hisy ny fisondrotan’ny vidin-tsolika. Mila araha-maso isan’ora mihitsy izany. Tokony hijery loharanon-tsolika any an-toeran-kafa koa isika fa tsy iantehitra amina iray foana. Akaikikaiky kokoa antsika aty Afrika izao, ohatra, I Angola. Ifandrombahan’ny eoropeainna izao ny solika ao sy ao Nizeria. Tsy tokony hisy fidanganan’ny vidin-tsolika izany. I Sina izao no mpamatsy solika goavana indrindra eran-tany. Misy Covid 19 miparitaka be indray nefa any izao dia misy orinasa maro izany tsy miasa mihitsy. Mihena izany ny fanjifan’ny sinoa. Dia rehefa mihena io dia mihena koa, mazava ho azy, ny tinady ary mihena araka izay ny vidin-tsolika. Tokony hanararaotra hanafatra isika. Ny fidangan’ny vidim-piainana moa dia efa namerimberenanay raha vao nanomboka ny Covid 19 tamin’ny 2020 hoe tokony hitodika amin’ny tsena anatiny isika. Mpianatra matoky ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena foana ny fanjakana Malagasy hatramin’izay ka tsy afaka nanampy mivantana ireo mpamokatra anatiny. Tonga nefa izao ny fotoana ihoarana izany mba ho fanampiana amin’ny maha fanampiana azy fotsiny no raisina amin’ireo mpiara-miombon’antoka fa tsy hoe ny fanampiana akory no ianteherana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap