airtel

Sosialy

04-juin-2021

Sosialy

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana Miantso ny hanangonana tavoahangy plastika ny Kopakelatra

Sample post image

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny Kopakelatra.

04-juin-2021

 

 Hanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana voasingana ho amin’izany araka izany ny Kopakelatra rahampitso Sabotsy 05 Jona.Toeram-panangonana Kopakelatra 8 eto Antananarivo no hisy fanentanana amin’ny fanaterana ireo tavoahangy plastika tsy miasa intsony. Anisan’izany ireo toeram-pivarotana lehibe leader price efatra (Ambatobe, Ankorondrano, Andranomena et Tanjombato), jumbo score telo (Talatamaty, Ankorondrano et Digue) ary ny tobin-tsolika jovena eny Ivandry. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanaitra ny daholobe amin’ny fanaterana tavoahangy betsaka rahampitso tontolo. Hisy ireo lamina apetraka eny amin’ireo toeram-panangonana ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Ny mpandray anjara mitondra tavoahangy plastika mihoatra ny folo dia hahazo fanomezana sy « bon d’achat » jifaina avy hatrany eo amin’ilay toeram-pivarotana nanaterany tavoahangy. Ankoatra ny rahampitso, dia afaka mampiasa ireo baka fanangonana miisa 29 miparitaka eto Antananarivo ny rehetra. Efa nahazo ny bakany ny CETAMADA Sainte-Marie ho fampianarana ny mponina eny an-toerana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanterahina ao anatin’ity taona ity ihany koa ny fampitaovana ny faritra hafa amin’ny baka fanangonana Kopakelatra.

Pati

Legende : Hafotaka tahaka izao ny fanentanana fanangonana tavoahangy plastika rahampitso

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap