Fampandrosoana (PNUD) fa mbola maharitra kokoa ny androm-piainan’ny vehivavy raha oharina amin’ny an’ny lehilahy eto Madagasikara. Raha 63,6 taona no salanisan’ny androm-piainana manomboka amin’ny fahaterahana teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2023, dia nahatratra 65,4 taona izany ho an’ny vehivavy, raha 61,9 taona kosa ho an’ny lehilahy, araka ny tatitra. Na izany aza anefa, mbola ambany lavitra raha oharina amin’ny salan’isa maneran-tany, izay mahatratra 73,4 taona, araka ny vinavinan’ny Firenena Mikambana. Lafiny iray lehibe amin’ny fampandrosoana maha-olona ny fahafahana miaina ela sy salama. Izy io no iray amin’ireo tondro telo fototra mamaritra ny haavon’ny « Indice de Développement Humain » IDH na Tondro momba ny fampandrosoana ny maha-olona. Araka ny angona navoakan’ny PNUD, dia nitombo 6,2 taona ny androm-piainana eto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1999 sy 2023. Na izany aza, mitana andraikitra lehibe amin’ny faharetan’ny fiainana ny fahantrana. Manodidina ny 80% amin’ny mponina eto Madagasikara no miaina ao anatin’ny fahantrana, miaina amin’ny vola latsaky ny 2,15 dolara amerikana isan’olona isan’andro. Vokatry ny fepetra ara-toekarena sy sosialy manahirana, maro no sahirana amin’ny fahazoana sakafo ara-pahasalamana, fitsaboana, ary fanabeazana, izay mandray anjara amin’ny fihenan’ny androm-piainana. Mazava araka izany fa raha tsy voatsabo ny fahantrana sy ny tsy fitovian’ny fahafahana, dia mbola ho lavitra ny fanatratrarana ny fampandrosoana maharitra. Ny fanatsarana ny fari-piainana, indrindra any ambanivohitra, dia lakilen'ny fampitomboana ny androm-piainan’ny Malagasy.
Toky R
Navoakan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD)
Mitombo hatrany ny fidangan’ny vidim-piainana (inflation) teto Madagasikara raha
Tsy mitovy ny Base Toliara sy Soamahamanina, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho