airtel

Sosialy

06-déc-2021

Sosialy

Anjilava Sambava Pitik’afo no nampirehitra ilay fasana

Sample post image

Fasana iray no nirehitra nipitihin’ny afo ny 02 desambra lasa teo teny Ambodiravina, Anjialava Sambava. Pitik’afo avy tamina fandoroana tanimbolin’olona no nahatonga ny afo raha araka ny vaovao voaray.

06-déc-2021

 Naharitra ora efatra ny afo nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro ka hatramin’ny 03 ora folakandro. Mponina tany an-toerana miisa 300 no nifanome tanana namono ny afo. Zavatra hafa indray anefa no nitranga taorian’izany. Rehefa voafehy mantsy ny afo dia niaraka nikorana ireo mponina ka noho ny hamamoana dia raikitra ny ady izay nihafara tamin’ny fifamelezana totohondry. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny Fokontany nandamina ny raharaha. Lehilahy manodidina ny 20 isa moa no indray nifamono nandritra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fasana nirehitra
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap