airtel

Sosialy

25-août-2021

Sosialy

Ankadiefajoro Andoharanofotsy Tafaverina ao anaty saritany ny lalam-pokonolona eny

Sample post image

Tao aorinan'ny fitarainana na “doléance” nataon’ireo mpampiasa ny lalam-pokonolona eny Ankadiefajoro Andoharanofotsy dia tafaverina tsara ara-dalana ao anatin’ny saritany

25-août-2021

 nataon'ireo mpandrefy tany na “Géomètre expert” nalefan’ny foiben’ny fandrefesan-tany na “chemin public existant” izay voasokajy ho lala-masaka na “servitude de passage” efa fampiasan’ireo fokonolona tamin'ny tany mpanjakana teo aloha izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nopotehin'ireo milaza ho tompon’ny tany anefa ny lalana, hoy ny fanazavana. Nanampina sy namotika ny lalana rarivato nataon'ny fokonolona 30 taona io ka dia nametraka fitoriana ady heloka teny anivon’ny fampanoavana ireo mpampiasa ny lalana. Notoloran’ny depiote Naivo Raholdina, izay filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena, mpisolovava izy ireo. Nanamarina teny ny vaditany fa nopotehina tokoa ilay lalana ary ady heloka izany satria tsy nisy fahazoan-dalana na “ordonnance” sy fitsarana na “jugement” avy amin'ny fitsarana izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap