Ho an’ireo mponina monina eny amin’ny faritra ambony toerana voasokajy ho faritra mena toy ny eny Ankadilalana sy Ampamarinana dia tsy vitsy ireo efa nandao ny tokantranony nanomboka omaly. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia nisy tamin’izy ireo no tsy niala teny aminy mihitsy raha tsy tamin’ity indray mitoraka ity. Ny fihotsahan’ny tany tampoka amin’ny alina ka mety hamoizana ny aina sy ny fianjeran’ny vato no nambaran’ny Renim-pianakaviana iray fa tena atahoran’izy ireo. Mafotaka araka izany ny fitadiavana trano eny amin’iny faritra Tsimbazaza sy ny manodidina iny. Saika tsy dia miantehitra loatra amin’ilay fanatonana ny Fokontany izay hanome trano ho an’ireo traboina mantsy ireto farany, fanampiana entin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ho an’ireo mbola tsy nahita trano kosa dia lasa nifondra vonjy maika any amin’ny fianakaviany izy ireo….
Pati
Legende : Atahorana mafy ny faritra avo amin’izao fandalovan’i Freddy izao !