Mampahafantatra antsika araka izany Ramandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana mikasika ny fandanjalanjana ny sakafo hanina. Tsy dia tsara loatra raha araka ny fanazavany ny sakafo be menaka izay mety hanimba ny aty sy ny vavony. Toraka izany ihany koa ireo sakafo efa lany daty miparitaka eny an-tsena toy ny bisikoitra sy vatomamy ary ny maionezy amin’ny boaty….Toraka izany ihany koa hoy izy ny fimamoana diso tafahoatra izay mety tsy hahatsiarovana tena mihitsy ka hahatongava hatreny amin’ny hopitaly. Raha hafaliana sy hafinaretana mantsy no tokony ho azo hoy izy mandritra ny fety dia mety hivadika ho fahasahiranana hamoaham-bola mihitsy izany raha tsy hay ny mandanjalanja azy. Mampahatsiahy ny olona rehetra ihany koa moa ity mpitsabo ity ny amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay manoloana ireo olona mamo mitondra fiara na moto eny an-dalana eny ka mety handratra na hamono tampoka.
Pati
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona