airtel

Sosialy

15-janv-2021

Sosialy

Ankazotoho Anosimahavelona Tapaka efa ho 4 andro ny jiro

Sample post image

Velon-taraina mafy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ankazotoho Anosimahavelona.

15-janv-2021

 

 

 

Tapaka nanomboka tamin’ny Alahady teo mantsy ny jiron’izy ireo ary mbola tsy niverina hatramin’ny omaly nanoratana ny vaovao. Raha araka ny vaovao azo dia noho ny fahasimban’ny transformateur ao an-toerana no antony mahatonga izany, izay nambaran’ny Jirama fa mbola miandry fitaovana avy any Fianarantsoa raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany. Ao amin’ny faritra fahatelo sy fahaefatra no tena voakasik’izany raha araka ny fantatra hatrany misy tokantrano mihoatra ny 1.000 mahery. Manao antso avo amin’ny orinsa Jirama araka izany ireo mponina ao an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy. Maro amin’ireo ankizy mpianatra mantsy no voatery mianatra amin’ny labozia, fandaniana hafa havoakan’ny isan-tokantrano nefa ny jiro isam-bolana tsy maintsy aloha ihany koa. Tsy ho an’ny jiro ihany moa fa saika mahita faisana amin’ny famatsian-drano fisotro madio daholo ihany koa ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ho an’iny faritra Ampasampito sy Ankadindramamy iny ohatra dia zary lasa fiainan’ny mponina ny miandry rano amin’ny alina fa tsy afaka matory ara-dalana intsony ny maro an’isa koa hanairana ny orinasa Jirama ihany koa.

Pati

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap