Nanomboka ny andron’ny Alarobia teo mantsy dia nihenabe izaitsizy ny tanjaky ny herinaratra eny amin’iny faritra iny ka nanimba fitaovan-tokantrano maro. Tsy mahazaka akory na dia radio sy famanana rano aza izany, raha tsy feno ihany koa ny finday iray mandrapaharainan’ny andro hoy hatrany ny fitarainan’ny mponina. Tsy maintsy arehitra manomboka amin’ny 03 ora folakandro ihany koa ny jiro na ny takamoa ao an-trano fa mitsilopilopy raha amin’ny 02 ora maraina any ho any vao tena mazava izany. Misy tamin’ireo tokantrano teny amin’iny faritra iny araka izany no nahavita nisolo takamoa 4 mandrapaharainan’ny andro fa maty hatrany izany hapetaka. Nomarihin’ny mponina moa fa misy ilay tetikasa antsoina hoe : baedoung hiarahana amin’ireo tera-tany Sinoa ao amin’ity Fokontany ity ka tsy fantatra mazava na mety hisy hifandraisany amin’ity herinaratra mitsilopilopy eny an-toerana ity izany na tsia.
Pati
Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.
Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,