airtel

Sosialy

03-févr-2022

Sosialy

Ankizin’ny akany nitsoaka Niala tany Ambohidratrimo, tany Carion vao hita

Sample post image

Zazalahy miisa telo samy tsy ampy taona nobeazina tao amin’ny akany fanabeazana ireo zaza nania ao Alakamisy Ambohidratrimo no tafatsoaka afak’omaly 01 febroary.

03-févr-2022

Antso avy amin'ny olona tsara sitrapo monina ao amin'ny fokontany Ambatokely, kaominina Ambanitsena izay nahitana azy ireo no nahatrarana azy ireo izay nandalo tao amin'io fokontany io. Notazonina tao amin'ny zana-tobim-paritra Carion izy ireo mandrapaha-tongan'ny tompon’andraikitra. Afak’omaly ihany moa dia efa naverina teny amin'ny akany izy ireo. Tsiahivina fa tovolahy kely avokoa izy ireo. Anton’ny fitsoahany raha araka ny siosion-dresaka ny faniriany hiverina hirihariha eny anivon’ny fiaraha-monina indray. Miisa 300 eo ho eo moa ireo ankizy beazina ao amin’ity akany ity amin’izao. Ankoatra ireo karazana halatra dia anisan’ny heloka hanenjehana ny sasany amin’izy ireo ny fanolanana/

Nangonin’i Pati

Legende : Ireto izy telolahy kely

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap